airtel

Actualités

03-févr-2025

IGAGA FIANARANTSOA

Tovovavy maty vokatry ny fofon-tsaribao tao an-tranony

Sample post image

Tovovavy iray vao 20 taona monja, mpianatra eny amin’ny Oniversitén'i Fianarantsoa

03-févr-2025

no maty irery tao an-tranony afak’omaly 01 Febroary. Olona teo amin'ny manodidina azy no nahatsikaritra tokony ho tamin'ny 11 ora atoandro fa mbola tsy nivoha mihintsy ny varavarana tao amin'ny trano nitoeran'io mpianatra io. Nanapa-kevitra izy ireo namoha an-tery ny varavarana nijerena ny zavamisy. Vatana efa tsy misy aina intsony noho izany no hitany tao. Nambaran'ny mpitsabo nijery ny razana fa maty sempotrany saribao ity tovovavy ity. Heverina arak'izany fa ny fandrahoana sakafo ny alina tao anatin'ny efitrano mihidy no nahatonga ny loza. Raha ny nambaran’ireo mpianatra miandry ny razana izay nampita ny vaovao dia mpianatra vao afaka baka avy any Ambilobe Itompokovavy ary saika hanohy ny fianarany ao amin'ny ENS. Antony nanofany irery tao Igaga. Andrasana ao amin'ny tranon'ny fiangonana FLM Soatsihadino ny razana nanomboka afak’omaly alina miandry ny fianakaviany.
Pati
Legende : Mahafaty ny fandrahoana sakafo amin’ny afon-tsaribao amin’ny alina ao an-trano !

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

Card image cap
20-juin-2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

Card image cap
20-juin-2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

Card image cap
20-juin-2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

Card image cap
20-juin-2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

Card image cap
20-juin-2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

Card image cap