airtel

Actualités

03-févr-2025

IGAGA FIANARANTSOA

Tovovavy maty vokatry ny fofon-tsaribao tao an-tranony

Sample post image

Tovovavy iray vao 20 taona monja, mpianatra eny amin’ny Oniversitén'i Fianarantsoa

03-févr-2025

no maty irery tao an-tranony afak’omaly 01 Febroary. Olona teo amin'ny manodidina azy no nahatsikaritra tokony ho tamin'ny 11 ora atoandro fa mbola tsy nivoha mihintsy ny varavarana tao amin'ny trano nitoeran'io mpianatra io. Nanapa-kevitra izy ireo namoha an-tery ny varavarana nijerena ny zavamisy. Vatana efa tsy misy aina intsony noho izany no hitany tao. Nambaran'ny mpitsabo nijery ny razana fa maty sempotrany saribao ity tovovavy ity. Heverina arak'izany fa ny fandrahoana sakafo ny alina tao anatin'ny efitrano mihidy no nahatonga ny loza. Raha ny nambaran’ireo mpianatra miandry ny razana izay nampita ny vaovao dia mpianatra vao afaka baka avy any Ambilobe Itompokovavy ary saika hanohy ny fianarany ao amin'ny ENS. Antony nanofany irery tao Igaga. Andrasana ao amin'ny tranon'ny fiangonana FLM Soatsihadino ny razana nanomboka afak’omaly alina miandry ny fianakaviany.
Pati
Legende : Mahafaty ny fandrahoana sakafo amin’ny afon-tsaribao amin’ny alina ao an-trano !

 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap