airtel

Actualités

05-mars-2024

IMERINTSIATOSIKA

Zazalahy kely hitan’ny olona tao anaty kitapo

Sample post image

Zazalahy kely iray manodidina ny 4 taona eo ho eo no fantatra fa

05-mars-2024

hitan’ny olona tao anaty kitapo afak’omaly Alahady 04 Martsa hariva teny Imerintsiatosika teny, distrikan’Arivonimamo. Tsy hay hoy ny loharanom-baovao azo na saika hatao inona ity zaza tsy manan-tsiny ity na saika hoaterina aiza, fa nisy olona tsara sitrapo namonjy azy ka avotra soa aman-tsara izy. Rehefa nanontaniana ity farany dia fantatra fa Safidy no anarany. 3 na 4 taona eo ho eo izy ary , Banane hono no anaran’ny dadany mpitarika posy raha Ravaka ny anaran-dReniny. Eny Avaradoha no nambarany fa misy ny fonenany. Notazonina tao amin’ny kaominina Imerintsiatosika moa ilay zaza hoy hatrany ny vaovao saingy tsy maintsy mandalo ao amin’ny polisy any an-toerana kosa ireo izay mahafantatra azy na ny fianakaviany. Tsiahivina fa lasa toerana nitrangan-javatra hafahafa ny tao Imerintsiatosika tato ho ato. Nangonin’i Pati
Legende : Mila ireo Ray aman-dReniny mafy i Safidikely !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap