airtel

Actualités

14-déc-2022

Actualités

Injeniera miresaka fampandrosoana Ilaina ny fifehezana sy fampiasana teknolojia vaovao

Sample post image

Anisan’ny noresahina nandritra ny Ambodivona ny "salon de l'ingénieur 2022 nanomboka omaly teny Ambodivona ny lohahevitra hoe :

14-déc-2022

Ny anjara toeran'ny injeniera eo amin'ny asam-panjakana ambony na "La place de l'ingénieur dans les hauts fonctions de l'Etat". Nandritra ny fandraisam-pitenenan'ny minisitry ny asa vaventy no nanamafisany ny anjara andraikitra ananan'ny injeniera amin'ny fampandrosoana ny firenena amin'ny fanatanterahana ireo fotodrafitr’asa samihafa izay hampiasain'ny vahoaka malagasy. Nisy koa ny fanentanana nataony ny amin’ny fifehezana sy ny fampiasan'ireo injeniera ny teknolojia vaovao izay ilaina amin'ny fanatanterahana ireo asa sy hahafahana mifaninana amin'ireo injeniera avy any ivelany. Nanafatra ireo mpianatra injeniera ny minisitra ny amin’ny tokony hianaran'izy ireo ny fahaiza-mitarika sy ny fahaiza-mitantana izay tena ilaina eo amin'ny tontolon'ny asa amin'ny ankapobeany. Fanontaniana goavana mipetraka anefa etsy ankilan’izany rehetra izany ny hoe hatraiza ny enti-manana na ara-kevitra na ara-materialy eo amin’izay fahafaha-manangana fotodrafitr’asa manara-penitra sy manaraka ny toetr’andro izay aty amin’ny tany farany mahantra toa an’I Madagasikara? Afaka mifaninana amin’ireo firenena matanjaka ve ny firenena marefo toa antsika eo amin’ny lafiny fifehezana ireo tekinolojia vaovao nefa izy ireny no mampita ilay fahaizana? Hatraiza ny fahafaha-manovo fahaizana, traikefa, fikarohana lalina kokoa manoloana ny olan’ny oniversite iaraha-mahalala ankehitriny ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap