airtel

Actualités

04-déc-2025

Intenet

Mbola tena mihisatra ny onjany

Sample post image

Na teo aza ny fampahafantaran’ny

04-déc-2025

minisitra tomponandraikitra fa tokony amin’ity herinandro ity no ahitàna fidinana ny vidin’ny fifandraisan-davitra amin’ny aterineto dia tsikaritra ho mbola tena mihisatra ny onjany na ny «connexion» hatreto. Tsy vitan’ny hoe tsy nidina, araka izany, ny sarany, raha ny hita hatramin’ny omaly aloha, fa mbola miraikitra ihany koa ny fahazoana izany aterineto izany na ho an’ireo mampiasa azy ao an-tokantrano na mampiasa izany any amin’ny toeram-piasàna samihafa any. Isan’ny fanazavàna voaray moa ny hoe noho ny antony eo amin’ny faharatsian’ny toetr’andro no mahatonga izany saingy, raha ny fitarainana isan’ny voaray omaly aloha, dia na ny tolakandro tanaty masoandro mibaliaka na ny takariva malomaloka tsy nisy rotsak’orana akory dia nitovy ihany ny onjam-pifandraisana niseho. Samy miandry izay ho tohiny indray izany aloha!
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap