airtel

Actualités

14-janv-2021

Actualités

Iray amin’ireo tendrombohitra miisa 12 Misy ampahany efa lasan’ny Sinoa

Sample post image

Araka ny fanazavan’i Louis Rakotohary, mpanao gazety teo anivon’ny radiom-

14-janv-2021

 

 

pirenena fahiny no sady nilaza ho vato namelan-kafitra mikasika ny vohitr’Ambohitrandriananahary eny Alasora, izay vohitra iray manan-tantara nampimpongatra ny fanjakana Merina rehetra toerana ilevenan’Andriamananintany ity toerana voalaza teo ity. Nisy omaly ny fitafan’ny fikambanana Zon’olombelona mampandroso vahoaka sy ny taranaky ny teraky ny vohitr’Ambohitrandriananahary tamin’ny mpanao gazety tonga teny an-toerana fa ny fanjakana sy fitondrana Malagasy dia mila miotra hanana fampandrosoana amin’izay. Ny zava-misy anefa dia mahatsiaro ho potika ny taranaky ny terak’ity vohitra ity, hoy ny filohan’izy ireo, Chandoutis Raoera. Vahiny no nahazo ity vohitra ity satria dia nisy namarotra ho an’ny sinoa. Vohitra niandohan’ny fanjakana Malagasy anefa teto. Ampahan-tany amin’ny iray amin’ireo tendrombohitra masina miisa 12, hoy hatrany ny fanazavana. Mila politika ara-kolontsaina mazava mihitsy, noho izany, hoy izy ireo, ny fiarovana ny vohitra masina manerana ny nosy mba tsy hitondra any amin’ny fahapotehan’ny firenena manontolo. Nanao antsoavo ho an’ireo manam-panahy sy manam-pahefana isan’ambaratongany, noho izany, izy ireo satria ny 31 desambra alina teo no nitondra “engin” na “bull”, izany hoe, fitaovana iasana ny tany an-tsokosoko tao ireo sinoa. Hamaritana ny tany, izany hoe, hanaovana “lotissement” sy “terrassement” no antony. Raisinay ho famonoana ny hasin’ny Malagasy izany. Mangataka ny manam-pahefana hijery ny toe-draharaha sy ampitsahatra tsy misy hatak’andro ny asa kasain’ny sinoa ho atao eny an-toerana. Mba hianaro ny an-drizareo japoney izay nametraka an’i Kioto ho “Capital du Japon imperial”, izany hoe tsy nikitika ny vakoka ny tao mihitsy, hoy hatrany izy ireo, raha te hanana firenena vanona isika.

 J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap