airtel

Actualités

22-janv-2021

Actualités

IT University Namorona fitaovana hikarohana olona n`aiza na aiza misy azy

Sample post image

Miha mivoatra ny teknolojia eto amintsika ary tsy latsa-danja amin` ny

22-janv-2021

 

 

 

fanarahana ny fivoarana noho izany ireo mpikatroka Malagasy. Ny sekoly ambony IT University, izay miompana amin` ny fampianana informatika amin` ny alalan` ny laboratoara ITU-LABS, dia namolavola tetikasa hikarohana olombelona ara-potoana na aiza na aiza misy azy. Izany dia fampiharana amin` ny finday (application) izay mampiasa fitaovana manokana toy ny “puces RFID”. Raha faritana tsotsotra dia ny “puce RFID” (radio-étiquettes) dia fitaovana kely toy ireny “étiquette auto adhésive” na “scotch” izay afaka apetraka na amin`ny fitaovana na koa zava manan’aina (biby) na olombelona. Io fitaovana kely io dia ahitana « antenne » mifandraika amina « puce » elektronika izay ahafahan'izy ireo mandray sy mamaly ny fangatahana onjam-peo nalefan'ny mpampita hafatra na ny mpandray hafatra koa. Ireto manaraka ireto dia efa misy amin'ny fampiharana: voalohany, fanarahana ny fotoana tena izy: mitady olona amin'ny sarintany ; Fanairana fidirana / fivoahan'ny faritra: ampandrenesina rehefa misy miditra na miala faritra manokana ivelan'ny fe-potoana voafaritra mialoha ; toerana : hita amin`izany ny toerana nisy ilay olona tamin'ny fotoana manokana. Ny fampiharana dia eo amin'ny dingana fitsapana ankehitriny. Betsaka ny olona mandray anjara amin'ny manao andrana amin'ny tontolo iainana. Amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona, ny teknolojia dia nitazona hatrany ny fandrosoana sy ny fanambinana. Fikarohana marobe no mampiseho fa niely haingana ny teknolojia avo lenta, nihoatra ny fetra nasionaly sy ny sehatra. Mampiseho tombony sy fahasarotana izany. Zava-dehibe noho izany ny mamaritra ny toerana misy ny teknolojia vaovao sy ny maha-zava-dehibe azy eto Madagasikara, hahafahana mampitaha azy ireo amin'ny sehatra manerantany. Vonona hanatratra ny fanamby ny IT University Academy.

Marigny A.

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap