airtel

Actualités

27-oct-2025

Jean-Marc Koumba

" Tsy maintsy mahazo famaizana izay mamadika vahoaka!"

Sample post image

Zoma faran'izay nahafinarita ho an'ny sasany

27-oct-2025

izao ny zoma teo, hoy ny mpiambina manokana ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana, Jean-Marc Koumba. Nisy fotoana, hoy izy, tao ireo mihevitra fa tompon'ny fahefana rehetra mihitsy. Nanjakazaka tsy nitsinjo ny hafa. Manao ramatahora sy antsojay ireo manelingelina azy. Manao fitaovana ireo vahoaka efa mandohalika. Nihevitra fa ny vola sy ny fifandraisana matanjaka ananany dia hahatonga azy tsy ho azo atao na inona na inona. Manana ny fitsarany manokana nefa ny fiainana. Arakaraky ny hisondrotantsika anaty avonavona, fizahozahoana, tsy fahamarinana no tsy hahazakana ny fianjerana ao aoriana ao. Voasambotra ao Maorisy izao ny iray. Ny iray hafa, rehefa avy filoha malagasy, dia nanary ny zom-pirenena maha malagasy azy fa lasa frantsay tanteraka. Toy ny mahazatra moa, anatin'ny fotoana toy itony, dia tsy hita popoaka avokoa ireo namana tsy nifankafoy taloha. Ohatran'ny nataon'i Jodasy tamin'i Jesoa. Mampahatsiahy antsika foana ny tantara fa tsy maintsy mahazo famaizana izay mamadika vahoaka! Hiala ny sarotava ary io vahoaka io dia miandry ny valin'ny nataon'izay rehetra namitaka azy, hoy hatrany ny lehilahy.
Nangonin'i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap