airtel

Actualités

06-févr-2023

Actualités

Jean Nirina Rafanomezantsoa “Raisina miabo ny fanenjehana”

Sample post image

Miarahaba ny Barea aho, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, nahavita dingana goavana.

06-févr-2023

Nisy antony maro, hoy izy, nahatonga fahombiazana fa amin’ny fanatanjahantena dia firaisankina sy firaisam-po no voalohany. Eo amin’ny fiainan’ny tsirairay, tsy voatery ho manam-pahaizana daholo vao ho tafita. Ny feon’ny fiheritreretana avy amin’ny fanahy masina ao anatinao no antoky ny fahombiazanao. Tsy nisy nateraka ho resy. Misy foana ny fitsapana ary mila mahalala ny tsirairay fa matoa ianao hatao hoe mpandresy dia nisy ady natrehina. Tsy tokony ho sakana amin’ny fiainan’ny tsirairay ny fanenjehana sy fanakianana fa mila mahatratra tanjona. Tsy mila kivy. Tsy mila matahotra fa tena vonona hibanjina fandresena. Misy fepetra ahatongavana amin’ny fandresena anefa dia ny famelan-keloka sy tsy famoronana ady. Raha te ho mpandresy ianao dia mila fahadiovam-po sy tso-drano ary ny tanjaky ny fanahy. Ny tanjaky ny fanahy dia ny soa vitanao sy vavaka mangiana ataon’ny manodidina anao manampy ny fanahinao. Aza misy kivy ary aza misy matahotra. Ny manodidina anao no harenanao voalohany. Rehefa misokatra amin’ny mpiara-belona ianao dia mahazo antoka fa tsy mahantra. Mila matoky tena ny olona tsirairay avy. Mila fahasahiana mamoaka ny herin’ny fanahy amin’ny alalan’ny tsindrimandry. Mila raisina miabo ny fanenjehana. Ny ahy izao noraisiko ho anarana enti-miady na “nom de guerre” ary nanaovako T-Shirt mihitsy ny “sektambra”. Ilaina ny manetry tena, mametra-pialana rehefa tsy mahomby na tsy mahay ny andraikitra nomena ny tena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap