airtel

Actualités

05-févr-2025

Actualités

Jean Razafindambo «Sarotra hananganana firenena i Madagasikara»

Sample post image

Sarotra hananganana firenena i Madagasikara, hoy ny mpanoratra sy mpamakafaka politika, Jean Razafindambo.

05-févr-2025

Raha mijery ny teny Swahili, izay teny nampiasaina tany Afrika atsinanana nanomboka ny taonjato faha 2 isika, hoy izy, dia midika hoe Madagasikara ny teny hoe «Buki». «Bouki» no fanonona azy. Ny teny hoe «Mbuki», raha milaza olon-tokana, sy ny hoe «Wabuki», raha milaza olona maro kosa dia midika hoe Malagasy. Ny teny malagasy kosa dia kibuki. Araka izany dia ny teny swahili avy any Afrika atsinanana, nampiasaina manokana tao amin’ny nosy Zanzibar, no namantarana an’i Madagasikara. Ireo mpiady sakalava no nanafika ny ilany atsinanan’i Afrika mba hambaboana ireo mponina tao ho andevo. Maro isika no mametraka fanontaniana lalina mikasika ny fizarazarana sosialy misy ao Madagasikara izay heverina fa sakana ho an’ny tena fananganana firenena ao Madagasikara. Tsy hisalasalana tsinona ny filazàna fa mbola tsy firenena i Madagasikara, raha ny mari-drefy mamaritra ny antsoina hoe firenena eto ambonin’ny tany no jerena. Tantara lavabe mifampiankina hatramin’ny nialohan’ny fanjanahantany izay mbola mila aravina io, hoy hatrany ny fanazavàny.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap