airtel

Actualités

15-avril-2022

Actualités

Jessica mpanotra Nodimandry omaly rehefa avy notsaboina

Sample post image

Nodimandry omaly Alakamisy maraina i Jessica mpanotra rehefa niala nenina teny amin’ny hopitaly.

15-avril-2022

Raha tsiahivina dia teny Mandrosoa Ivato hatrany ity vehivavy iray ity izay marihina fa mpitaiza olona ihany koa no nitsabo sy nanotra hatramin’izay. Betsaka ireo olona taitra tamin’ny fahalasanany noho izany satria tampoka loatra. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia vao tamin’ny herinandro izy no nitaraina ho narary. Nihombo hatrany anefa izany ka voatery naiditra hopitaly izy mba hanaraka fitsaboana. Andriamanitra anefa no tompon’ny aina ka lasa ihany izy omaly na dia efa niala nenina fatratra aza. Marihina moa fa mpilalao sary mihetsika koa Ratompokovavy fony fahavelony ka tao amin'ny sary mihetsika Eo ara hoe vokarin’ny vata fahitalavitra iray tsy miankina eto an-drenivohitra no tena nahitana azy matetika. Ankoatra izay dia mpanao rugby ihany koa i Jessica. 30 taona eo ho eo moa i Jessica no izao nindaosin’ny fahafatesana izany. Anisan’ireo tonga nitsapa alahelo ny vadiny sy ny fianakaviany omaly ny kaominina Ivato, notarihin’ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa.
Pati
Legende : I Jessica mpanotra fony fahavelony
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap