airtel

Actualités

27-avril-2023

Actualités

JIRAMA Nomena 441 miliara Ar tao anatin’ny 3 volana

Sample post image

Taorian’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo izay nitsotra fa manana olana ara-bola ny Jirama, ary eo am-panaovana fifandaminana amin’ireo

27-avril-2023

mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny fanefana tsikelikely ny trosa misavovona, dia nisy ihany koa ny fanazavana ambangovangony nataon’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison mikasika ny olan’ny Jirama omaly. Nilaza ity farany, fa manodidina ny 441 miliara Ar no efa nampindramina ny Jirama tao anatin’ny 3 volana voalohany. Natao hanjifan’ny Jirama ny trosan’ireo mpamatsy solika io. “Fampindramam-bola no paiakady nentin’ny fitondrana, mba ahafahan’ny Jirama mandoa ireo mpamatsy, ary averiny amin’ny Fanjakana avy eo”, hoy ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola omaly. Ny tenany izay efa nanazava ny novambra 2022 fa 637 miliara Ar ny vola natokana ho an’ny angovo ny 2023 raha ny voarakitra anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ka tafiditra ao anatin’io ny “subvention” sy ny resaka fanefana vidin-tsolika,… Ny Fanjakana ihany koa anefa etsy andaniny no tena tsy mpandoa faktioran’ny Jirama, raha ilay tatitra tamin’ny volana martsa teo ao anatin’ny anatin’ilay MPEF (Mémorandum de Politique Économique et Financière) momba revio ny andiany fahatelo amin’ny fandaharan’asa FEC (Facilité Elargie de Crédit), iza milaza fa 305 miliara Ar ny faktioran-jiro sy rano tsy voaloan’ny Fanjakana. Raha ny tatitra tany amin’ny septambra 2022, nahatratra 800 miliara Ar ny trosan’ireo kaompanian-tsolika tamin’ny Jirama. Tsy dia nisy famoahana antontan’isa mazava intsony tao anatin’ny 6 volana, fa ny hany vokany ankehitriny, dia ny efa karazana gafy noho ny trosa tsy voahefa. Nilaza ny Minisitry ny toekarena omaly manoloana ny antso tolo-bidy nataon’ny Jirama amin’ny famatsiana solika mavesatra, fa malalaka amin’ny fifanarahana amin’ny mpamatsy solika azy ny Jirama. Izy no manao fifanarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy, fa noho izy miantsehatra amin’ny asam-bahoaka dia voatery miditra amin’ny fanampiana ny Fanjakana. Ireo mpahay toekerana kosa milaza fa mitombo andro aman’alina ny fanampiana omena ny Jirama, kanefa io iaraha-mahita ny zava-misy toy ny fitakian’ny mpamatsy solika, ka mampametra-panontaniana hoe: mankaiza daholo ireny vola ireny? Ao aza no miteny mihitsy fa tahaka ny vola ariana fotsiny,… Raha izay vola nafafy izay tokoa ve tsy efa nahavitana tohodrano goavambe? Ny zava-misy, dia toa manamafy ny tokony hirosoan’I Madagasikara hatrany any amin’ny angovo azo havaozina, izay mila hamoraina na ho an’ny fampiasam-bola goavana, na ho an’ny tetikasa madinika,..

Legende ; Nampindramin’ny fanjakana 443 miliara ariary ny jirama tao anatin’ny 3 volana voalohany, hoy ny miisitry ny vola

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap