airtel

Actualités

05-sept-2022

Actualités

JMJ tao Antsirabe Maro ireo narary tsy nahazaka hatsiaka

Sample post image

Tany amin’ny havoananan’Antsahatanteraka Antsirabe no namaranana tanteraka ny JMJ Mada X, izay nanomboka ny 30 aogositra hatramin’ny omaly 04 septambra.

05-sept-2022

Nisy ny alim-bavaka lehibe teny amin’io toerana io ny alin’ny sabotsy hifoha omaly alahady. Nisy tamin’ireo mpizaika no tojo tsy fahasalamana izay noraisina an-tànana tamin’ny toerana natokana handraisana an-tànana ireo mety ho tratry ny tsy fahasalamana. Am-polony maro no voalaza fa tratran’izany. Nanomboka ny 31 aogositra, nahatratra 60 ny fidirana an-tsehatra na “interventions” nataon’ireo mpitsabo mpilatsaka an-tsitrapo notarihin’ny Dr Rakitra Ranaivoson, hoy ny tatitry ny fampahalalam-baovao iray. Ny 6 tamin’ireo no tranga nisy fahasarotana, izay tsy maintsy nalefa tany amin’ny ivon-toerana ara-pitsaboana manodidina. Tafiditra tao anatin’izany ny trangana tazo mahery, gripa mahery,… Maro ny tojo tsy fahasalamana noho ny hatsiaka mamirifiry hatrany amin’ny 7°C ny alin’io sabotsy hifoha alahady io. Nisy ihany koa ny tranga nahiana ho covid-19 saingy niiba ny valin’ny fitsirihana. Nahatratra 169 ireo fitsirihana ara-pahasalamana ny 3-4 septambra tao Antsahatanteraka, raha ny tatitra. Ny “bataillon médicale” izay niparika tamin’ny “sites” miisa 16 izay nandray ireo mpivahinin’ny JMJ kosa dia nitatitra fa 440 ireo nanao fizahana ara-pahasalamana nanantona azy, ka resaka tosidrà, gripa, “epilepsie”,… ny ankamaroany raha ny tatitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap