any amin’ny Faritra SAVA, taorian’ny fikatonany nandritra ny roa volana. Taorian’ny fisokafany, tsara ny vokatra ho an’ny mpanjono satria tafakatra 55,5 taonina ny vokatra azo hatreto tao anatin’ny herinandro latsaka, raha ny tatitra ofisialy. Manodidina ny 10 000 ka hatramin'ny 15 000 taonina ny vokatra orita eto Madagasikara isan-taona, raha ny fikarohana tsotsotra natao. Ny habetsaky ny orita azo dia mety hiova arakaraka ny faritra eto amin’ny Nosy. Ny faritra amoron-dranomasina toa an’i Toliara, Morondava, ary ireo morontsiraka manaraka ny tandavan’ny ranomasina andrefana sy avaratra no tena ahitana ity hazandrano ity. Manodidina ny 20 000Ar hatramin’ny 50 000Ar ny kilaon’ny orita, ary mety ho tafakatra hatrany amin’ny 100 000Ar mahery aza. Ampahany ihany amin’ny harena an-dranomasintsika io, fa tena isan’ny loharanon-karena lehibe ho an’i Madagasikara ny ranomasina noho ny fananantsika morontsiraka hatrany amin’ny 5000km, raha tena mahomby ny fitantanana sy ny famadihana azy ho fanoitra ara-toekarena. Efa noresahana sy notaterina fa manodidina ny 500 miliara dolara isan-taona ny tsenan’ny hazan-dranomasina eran-tany isan-taona, ka raha ny 5% amin’io fotsiny azontsika dia efa 5 miliara dolara.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa