fanabeazam-pirenena teo aloha, Julien Razafimanazato, fa tsy any am-ponja. Olompirenena tahaka ny olon-drehetra ny mpampianatra, mpanabe, hoy izy. Manan-jo feno maneho ny heviny eo anivon'ny fiarahamonina izy. Tsy hoe satria sahirana noho ny politika goragora eo amin'ny lafiny fanabeazana eto amintsika ny mpanabe ka ho azo lalaovina amin'izay itiavana azy! Tsia, tsy mety izany! Ny tolona rehetra nisy teto Madagasikara, 1972, 1991, 2002, 2009 dia nandray anjara hatrany ny mpanabe ary nomena fampanantenana hatrany kanefa hadisoam-panantenana hatrany no sandan'izany. Tamin'ny 2009, ohatra, dia tsy niala teo amin'ny kianjan'ny 13 may ny mpanabe, "vacation"-na fanadinana CEPE irery angamba no anisany fanomezana hany mba azon'ny mpampianatra tao anatin'ireo fangatahana marobe natao teo anivon'ny governemanta! Nitaona mpanabe ihany koa ny tolona nataon'ny "73 Députés", tsy nisy nisambotra ireo mpampianatra sy mpanabe nandray anjara tamin'izany! Ankehitriny tsy afa-po amin'ny tolotra ataon'ny fitondrana ny mpanabe! Nahoana no rahonana sy samborina izy ireo raha maneho hevitra? Manam-pahalalana sy mahay misafidy ny tokony hataony ny mpanabe ka avelao malalaka izy ireo haneho hevitra! Tsy hisy mpanabe ho vanona izany raha tsy migoka fahalalahana tanteraka izany. Any an-tsekoly hikolokolo sy hampita fahalalana amin'ireo zanaka sy tanora malagasy no toerana tokony hisy ny mpampianatra sy ny mpanabe fa tsy sanatria any am-ponja noho ny fitakiana ny tombontsoany na noho ny fijoroany amin'ny maha olompirenena feno sy manam-pahalalana azy. Ry mpiray tanindrazana, hajao sy arovy, ary ampio hery ny mpampianatra sy mpanabentsika, hoy hatrany ny tenany!
Nangonin’i J. Mirija
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny
Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny
Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.