Mbola voahosotra ho Kakao tsara kalitao indrindra eran-tany ny kakao malagasy araka ny voarakitra anatin’ny lisitr'ireo firenena ao anatin'ny « Tovana C » navoakan’ny Vondrona iraisam-pirenena misahana ny kakao (ICCO) ny Alakamisy 12 Oktobra 2023. Mitombo laza erantany indray ny kakao malagasy ary misy fiantraikany amin'ny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena izany. Indrindra fa efa nahitana fiakarany be ny vidin'ny kakao eny amin'ny mpamboly. Tsiahivina fa nampiantrano ny fivoriana lehibe iraisam-pirenena teo amin’ireo manam-pahaizana manokana momba ny kakao tsara kalitao indrindra i Madagasikara tamin’ny 13 ka hatramin’ny 14 Jona tamin'ity taona 2023 ity. Nandray anjara tamin'izany ireo manam-pahaizana 12 mianadahy avy amin’ny rafi-panjakana sy sehatra tsy miankina misolo tena ireo firenena mpamokatra sy mpanjifa kakao. Nandalo teo anatrehan’izy ireo ny atontan-kevitra momba ny kakao tsara kalitao indrindra (cacao fin) vokatra eto Madagasikara. Nandrafitra ny soso-keviny ny mpitsara iraisam-pirenena tamin'izay ka nandefa izany tany amin’ny ICCO any Abidjan Côte d’Ivoire, ary namoaka fa ny vokatra kakao malagasy no mbola tsara kalitao indrindra.
J.Mirija
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto