airtel

Actualités

12-mai-2026

KAOMINÎNA ALASORA

Tafakatra 500 omaly ireo mpianatra nanamboarana kopia

Sample post image

Tafakatra 500 isa omaly Alatsinainy 11 May

12-mai-2026

tapany maraina ireo Ray aman-dRenin'ny mpianatra tonga nanamboatra kopia mari-pahaterahana ho an'ny zanany teo anivon'ny kaominîna Alasora, distrikan'Avaradrano raha 300 isa isan'andro izany teo aloha. Voatery nandray fepetra noho izany ny kaominîna, raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy. Manodidina ny 15 ka hatramin'ny 20 minitra eo ho eo mantsy ny fotoana lany amin'ny fanamboarana kopia mari-pahaterahana iray. Ho an'ireo mpianatra teraka tao anatin'ny kaominîna Alasora dia eny anivon'ny sekoly no manao fangatahana ireo Ray aman-dReny ary ny sekoly no mifandray mivantana amin'ny kaominîna hanamorana kokoa ny asa. Ho an'ireo teraka tany amin'ny kaominîna hafa kosa dia tsy maintsy manatona ny kaominîna Alasora ihany ireo Ray aman-dReniny. Tsiahivina moa fa mbola mijanona ho 600 Ar hatreto ny manamboatra kopia mari-pahaterahana iray eo anivon'ny kaominîna Alasora raha efa mahatratra 2.000 Ar ny an'ny sasany.
Pati
Légende : Randriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'ny kaominîna Alasora !
 

Dans la même rubrique

12-mai-2026

Raitritra indray ny fanoherana fandaminana

Card image cap
12-mai-2026

asa fanarenana Hanomboka tsy ho

Card image cap
12-mai-2026

be, fikasihan-tanana,… » Voarohirohy

Card image cap
12-mai-2026

Diso izany! Ny havany aza nisaotra ny Fitondram-panjakana »

Card image cap
12-mai-2026

Hanamboatra tsena vaovao ny Ben'ny tananan'i Bemasoandro

Card image cap