airtel

Actualités

25-mars-2026

KAOMININA

AMBANIVOHITR'AMPANEFY

Sample post image

Nahazo jiro manazava ny tanana

25-mars-2026

Mbola betsaka amin'ireo kaominîna ambanivohitra eto amintsika no mañana olana amin'ny resaka hazavana. Vitsiana ireo misy jiro ny Fokontany ao aminy indrindra fa ireo manazava ny elakelan-trano. Ho an'ny kaominina Ampanefy, distrikan' Atsimondrano manokana dia fantatra fa mbola tena mila izany izy ireo ho fiarovana ny ain'ny mponina sy ny fananany. Tonga nanolotra ny anjara jiro ho azy ireo Ramatoa Voahangy Raharimanarivo, solombavambahoaka voafidy tao amin'ity distrika iray ity. Tafiditra tao anatin'ilay CIAD taona 2024 ho an'ireo kaominîna 26 isa mandrafitra ny distrikan'Atsimondrano moa izao fanolorana fanampiana izao. Notoloran-dRamatoa solombavambahoaka dabilio misy tongony vy koa ireo sekoly vitsivitsy ao an-toerana. Tsy maharaka ny isan'ireo mpianatra intsony mantsy ireo dabilio efa nisy teo aloha no sady efa tranainy. Hafatra napetrany ny Ben'ny tanana ho an'ireo mponina ao an-toerana ny hoe : mahaiza mañana sy mankasitraka mba ho tombontsoan'ny taranaka faramandimby.
Pati
Légende : Nandritra ny fanolorana ny jiro !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap