ambanivohitr’Ambato, distrikan’Ambohidratrimo, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Sarobidy Rakotondravao. Azo lazaina, hoy izy, fa nisy fiovàna teo amin’ny fitantanana ny kaominina satria raha tany aloha, tsy nisy fanavaozana na ny birao fiasàna na ny fandraisana ireo vahoaka dia ankehitriny efa navaozina vita «carreau», voaloko tsara ny birao. Miditra ihany koa izahay miditra amin’ny lafiny informatika satria hatramin’izay dia tsy nampiasa na solosaina iray aza izany biraon’ny kaominin’ambanivohitr’Ambato izany. Miezaka mampiasa fitaovana manaraka toetr’andro izao ny kaominina. Ezahina hatrany ny hanome fahafaham-po vahoaka satria raha in-3 isa-kerinandro no nisokatra ny kaominina tamin’ny fitantanana teo aloha dia misokatra foana izao ny biraon’ny kaominina ny alatsinainy hatramin’ny zoma. Malaza moa izao ny hoe fanavaozana, fanorenana ifotony mankany amin’ny fanovàna dia mba manantena izay fiovàna sy fampandrosoana izay koa izahay tantsaha satria iarahantsika mahita amin’ny fahitalavitra, onjapeo hoe mangataka ny mpampianatra, ny Dokotera, ireo mpiasam-panjakàna fa izahay kosa aty Ambanivohitra aty dia mangataka hoe jereo manokana ny tantsaha satria ny tantsaha no antoky ny fampandrosoana. Raha tiana ny hampandroso an’i Madagasikara dia mila jerena ny hoavin’ny tantsaha. Mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana ny 80%n’ny malagasy. Izahay aty ambanivohitra dia manantena izany fijerena manokana ny tantsaha izany. Eo ny resaka lalana, ny famokarana hoe inona no tosika azo hanampiana ny tantsaha. Tsy mangataka zavatra betsaka ny tantsaha fa fanohanana no tadiaviny, na amin’ny lafiny ara-tekinika io na vokatra. Misy fokontany miisa 15 ao Ambato. Any avaratry ny kaominin’Ivato seranana no misy an’Ambato, izany hoe, eo amin’ny 50km miala an’Antananarivo renivohitra. Farany avaratra ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo izy. Vokatra isan’ny mampiavaka azy ny tongolo, vary, legioma maro samihafa. Manana tsena isaky ny zoma ny kaominina. Mbola vitsy ny mpandraharaha ato anatin’ny kaominina fa ireo mpandraharaha avy any ivelany no tonga manangom-bokatra. Noho ny haratsian’ny lalana nefa dia sarotra ho an’ny tantsaha ny handeha hitondra vokatra any an-drenivohitra,… Manantena ny rivo-baovao entin’ny fanorenana ifotony ihany koa izahay, hoy hatrany ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
J. Mirija