Lehilahy iray manodidina ny 50 taona efa tsy nisy tako-kenatra intsony ny tapany ambany no saika hanolana zaza vao 8 taona monja. Raha tsiahivina kely ny tantara dia avy nianatra ity farany no nifanena tamin-dRainy teny an-dalana. Rehefa tonga tany an-trano dia izy dia nisolo akanjo sy nametraka kitapo ary niverina indray nitady ny Rainy mba haka vola hamidy goûter. Rehefa teny an-dalana anefa ity zaza ity dia tsy nahita ny Rainy akory. Raha vantany vao tonga teo amin' ny tsena fivarotan-damba akaikin'ny kaominina Ampary izy dia nosintonin'ity lehilahy lehibe tsy mataho-tody ity. Nentiny nankany anaty vary andrefan' ny tsena ity zaza ity taorian’izany ka rehefa tonga tao anaty vary dia notambazany vola 3. 000 Ar ary nasainy nanala pataloha. Nanda mafy tsy nety nanala ny patalohany anefa ilay zaza ka norahonany sy nobedainy ny tanany roa. Nitomany ilay zaza noho izany no sady nikikiaka. Rehefa nisy nampandre ny dadafaran’ilay zaza dia tonga nihazakazaka ka tratra ambodiomby ilay Rangahibe. Mbola saika handositra ihany ity farany noho izany ka saika tratran’ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga haingana ny mpitandro ny filaminana. Ny 03 Martsa teo no niakatra fampanoavana ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika ilay Rangahibe. Ity moa no trangam-panolanana faha-17 niseho tany amin’ny distrikan’i Soavinandriana raha araka ny vaovao azo.
Pati
Legende : Efa tsy nikilaoty intsony ity Rangahibe ity talohan’ny nisamborana azy.
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa