airtel

Actualités

10-déc-2025

KAOMININA AMPITATAFIKA

Efa vonona ny toerana handraisana ireo traboina

Sample post image

Anisan'ny toerana tratry ny tondra-drano

10-déc-2025

hatrany rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao ny kaominîna Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano noho izy manamorona ny Reniranon'i Sisaony. Vao tamin'ny faran'ny herinandro teo ohatra dia tokantrano maro sahady no efa dibo-drano tao Avaratetezana, toerana izay nomarihin'ity Ben'ny tanana ity fa tsy mbola nanomezany taratasy hahazoana manorina trano mihitsy hatramin'ny fotoana nitantanany ny tanana no mankaty. Ankoatra ity tranga ity dia nambarany ihany koa fa fefiloha miisa 2 no indray vaky ao amin'ny Fokontany Ambohimangidy. Efa nisy ny fefiloha iray vaky tao an-toerana tamin'ny taona 2023 ka nanampy ny kaominîna tamin'ny fanarenana izany ny tetikasa Produir. Ankehitriny miisa roa indray no vaky vokatry ny tsy fitandreman'ireo mpitondra lakana mitaona biriky. Ny banky iraisam-pirenena no fantatra fa tokony hamatsy vola ny kaominîna Ampitatafika amin'ny fanarenana izany izay efa vita resaka saingy noho ny fihenan' ny tetikasa natokana hanampiana ny tany mahantra toa an'i Madagasikara dia tsy tanteraka indray izany raha araka ny fanazavany. Voatery hihantahanta any amin'ny tetikasa Produir indray ny kaominîna. Mikasika ny toerana handraisana ireo traboina moa raha mitohy ny ranon'orana dia notsindriany fa efa vonona izany toy ny ao amin'ny Fiangonan'ny olo-masina ny andro farany, ny eny amin'ny EPP sy CEG Faliarivo ary ny eny amin'ny tanimenabe izay hasiana trano lay.
Pati
Légende : Ny Ben'ny tananan'ny kaominîna Ampitatafika Rado Ramparaoelina !
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap