airtel

Actualités

06-mars-2026

KAOMININA AMPITATAFIKA

Nofanina momba ny

Sample post image

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

06-mars-2026

Nofanina momba ny ady amin'ny kolikoly ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon'ny kaominîna Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano. Niainga tamin'ny sefom-pokontany izany, nandalo ny tompon'andraikitra eny anivon'ny Fiangonana nipaka hatreny anivon'ny mpitandro ny filaminana sy ny Ben'ny tanana ary ny delege sy ny mpanolontsain'ny tanana. Fantatra tamin'izany fa tanana tsy sanatria bé kolikoly akory Ampitatafika. Tanjona hoy Rado Ramparaoelina Ben'ny tanana ny mba hahafahana manatsara hatrany ny fitantanana izay efa nahitana vokatra mahomby tamin'ny taon-dasa. Eo ihany koa ny fampitomboana ny fahalalan'ny mpiara-miasa rehetra mikasika ny vokatry ny kolikoly, ny fiantraikan'izany amin'ny asa aman-draharajha ary ny sazy miandry ireo izay tratra. Tsiahivina moa fa tena nahafa-po ny fidiram-bola teo anivon'ny kaominîna Ampitatafika tamin'iny taona 2025 nivalona iny vokatry ny ezaka nataon'ny mpiasa hoy ny Ben'ny tanana . Nihoatra ny 100% izany izay ezahin'izy ireo hotohizana hatrany mandritra ity taona vaovao 2026 ity.
Pati
Légende : Izy no Rado Ramparaoelina Ben'ny tananan'Ampitatafika Atsimondrano !
 

Dans la même rubrique

08-avril-2026

Nankatoavina i Dr Ibrahim Norbert Richard,

Card image cap
08-avril-2026

Nafana ny toe-draharaha tao Ambositra

Card image cap
08-avril-2026

Savoritaka no niafaran'ny Alatsinainy Paka 2026

Card image cap
07-avril-2026

paska ny mponin'i Mahazoarivo

Card image cap