airtel

Actualités

29-avril-2022

Actualités

Kaominina Antananarivo Natao inona ny vola no taratasy avy tsy misy ?

Sample post image

Manaitra ary mahavalalanina ny nahita ny taratasy avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo mitondra ny laharana N°182/CUA/M/DIPLES 2022 mitondra ny datin’ny 27 aprily 2022,

29-avril-2022

izay maneho fa tsy manana tahirina taratasy “A3” sy “A4” intsony ny CUA. Lany sy fongana ny taratasy ka tsy misy ampiasaina intsony ny kaominina, raha zohiana amin’ilay taratasy niparitaka. Ahoana izany ny momba ireo taratasim-panjakana samihafa? Miteraka kiana mivaivay io, fa tena mihemotra ny kaominina, ary tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona izany. Any amin’ny fitoriana olona no mahaseriny sy hihazakazahana fa any amin’ny vokatra mihemotra tanteraka. Fa manao ahoana tokoa ny resaka fitantanana ara-bola ao amin’ny CUA no toa arakaraka ny fampitomboana ny fitadiavam-bola no toa vao mainka mampisy olana? Natao inona ny 11 miliaran’ny CNaPS no resaka taratasy avy no tsy misy fa hoe fongana ny tahiry? Tsy ny resaka taratasy ihany fa betsaka ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny eto: fandaminana ny tanàna, fandraofana fako, fitantanana tsy mangaraharaha.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap