airtel

Actualités

02-oct-2026

KAOMININA

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Sample post image

Hatsaraina ny fitantanana sy fiarovana ny volam-bahoaka

02-oct-2026

Nifantoka tamin’ny famantarana ireo sehatra marefo sy ny fametrahana vahaolana hanatsarana ny fitantanana sy hiarovana ny volam-bahoaka. ny atrik'asa notanterahana teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly . Tena zava-dehibe ny fisorohana ny kolikoly amin’ny fanangonana ny vola miditra avy amin’ireo tsena hoy Atoa Feno Ralambomanana filohan'ny délégasionina manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra. Tanjona ny hampitomboana ny vola miditra amin’ny Kaominina sy hanatsarana ny tolotra ho an’ny mponina. Ity hetsika ity dia tanterahina miaraka amin’ny BIANCO, ary tohanan’ny Governemanta Alemaina sy ny GIZ, amin’ny alalan’ny tetikasa mikendry ny hampihenana ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fitantanana ifotony. Tsy voalohany ary azo antoka fa tsy ho farany amin’ny atrikasa, fivoriana, fikaonandoha ity natao omaly ity, fa ny andrasanay hoy ireo olom-pirenena nanontaniana dia asa mandeha ary hita fa mandroso, manaraka izay dia mpiasan’ny kaominina miasa araka ny tokony ho izy fa tsy mikitakita olona, mpiasa manana anton’asa mazava fa tsy hoe manao izao rehetra izao ka tsy hay intsony hoe inona no tena andraikiny. Ary farany dia mila ampiharina ny sazy ho an’ireo mpiasan’ny kaominina na mpiasam-panjakana hita fa manararao-pahefana sy tsy menatra mihitsy mitaky vola aman’olona mba hanaovana asa iray. Ankoatran’ny solontenan’ireo rafitra miasa amin’ny ady amin’ny kolikoly dia tazana nanatrika ity atrikasa ity ihany koa Ny Révérend Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, filohan’ny FJKM teo aloha.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

12-oct-2026

navadika ho lasantsy

Card image cap
12-oct-2026

Navaozina ny fiaraha-miasan’Ambatovy sy ny BNGRC

Card image cap
09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Hamondrona ny heriny

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Miantso ireo fikambanam-behivavy

Card image cap