airtel

Actualités

05-oct-2026

KAOMININA

ANTANETIBE MAHAZAZA

Sample post image

Nahazo « poste fixe mixte »

05-oct-2026

hiasan’ny mpitandro ny filaminana
Efa ela no tsy nanana poste avance intsony ny kaominina Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo. Simba tanteraka ny foto-drafitrasa hoy ny Ben’ny tanana Nomenjanahary Firmin nanomboka tamin’ny asa fanamboarana ny lalan’ny atody ka 8 taona aty aoriana vao tafarina izany. Niezaka ny kaominina nitady mpiara-miombon’antoka. Vita soa aman-tsara ny foto-drafitrasa ankehitriny ary notokanana tamin’ny faran’ny herinandro teo. Poste fixe mixte izy io izay hiasan’ny zandary sy ny miaramila mivondrona eo anivon’ny DAS, ny polisy kaominaly ary ny kartie mobila. Tanjona ny hahafahana mifehy ny fandriampahalemana ao anatin’ity kaominina iray ity ho fiarovana ny ain’ny mponina sy ny fananany hoy ny fanazavana azo. Anisan’ny asa hiantsorohan’izy ireo koa hoy ity Ben’ny tanana ity indrindra fa ny zandary noho izy ireny afaka misava sy manara-maso ny fijerena ireo fiara mitatitra vokatra any amin’iny faritra iny. Ny mba hahazoan’ny kaominina tamberim-bidy ara-dalana amin’ireo vokatra mivoaka ao aminy no tanjona toy ny atody, ny ronono, ny tongolo, ny fambolena tsaramaso hatao masomboly, ny saonjo....Tsiahivina moa fa notolorana mari-pankasitrahana ihany koa ireo sefom-pokontany miisa 18 ao an-toerana noho izy ireo nahavitabe tamin’ny asa niantsorohany.
Pati
Legende : Mbola vonona amin’ny asa fampandrosoana hatao manaraka rehetra ny Ben’ny tanana Atoa Firmin !
 

Dans la même rubrique

05-oct-2026

Tsy nisy kolikoly, nisy BIANCO sy komity,

Card image cap
05-oct-2026

Ela loatra ny "permis biometrika,

Card image cap
02-oct-2026

Nandika lalàna matoa vosambotra ! »

Card image cap
02-oct-2026

Napetraka ireo boky torolalana vaovao,

Card image cap
02-oct-2026

Hatsaraina ny fitantanana sy fiarovana ny volam-bahoaka

Card image cap
02-oct-2026

Voaheloka 10 taona an-tranomaizina

Card image cap