airtel

Actualités

12-mars-2021

Actualités

Kaominina Ivato Hofehezina tsy hiparitaka ny covid 19

Sample post image

Mitombo isa ireo olona tratry ny valan’aretina Covid 19 mandalo eny anivon’ny CSB II ao anatin’ny kaominina Ivato,

12-mars-2021

 

 

 distrikan’Ambohidratrimo. Voakasik’izany manokana ny CSB II ao Ivato tampon-tanana sy Ambodirano, raha araka ny fanazavan’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna omaly Manitra Andrianjakarivony. Nisy araka izany ny fivoriana maika niantsoan’ny kaominina ireo lehiben’ny tobim-pitsaboana ireo hitadiavana ny vahaolana maika. Nantsoina nandritra izany ihany koa ireo sefom-pokontany roa sy ireo mpanentana ara-pahasalamana. Tapaka nandritra izany fa hisy ny fanentanana goavana hatao amin’ireo mponina ao Ivato mikasika ny ady hatao amin’ny valan’aretina Covid 19 mba tsy hiitarany. Lohalaharana amin’ireny ny fanaovana aron-tava, ny fanasan-tanana amin’ny savony ary ny fanajana ilay elanelana 1 metatra. Hisy ihany koa ny famendrahana ranom-panafody ireo biraom-panjakana rehetra ao an-toerana ankoatra ny fanadiovana ny tanàna.

 Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap