Anisan’ireo namoahana didy fa haverina ny fifidianana satria tsy lany ny kandidà narotsaky ny fanjakana. Miaina tanteraka ao anatin’ny fanamparam-pahefana anefa amin’izao fotoana ny ao amin’ny kaominina Moramanga noho ny ataon’ny mpitantana ao anivon’ny fiadidiana, hoy ny fitarainana sady fampitam-baovao. Tamin’ny ben’ny tanàna mpisolo toerana ankehitriny, ben’ny ara-dalàna, tsy nisy nampihariny ny didim-pitondrana nivoaka tao amin’ny kaominina tapaky ny mpanolotsainan’ny tanàna. Ny mahagaga sy mahatalanjona amin’izao, mamoaka didim-pitondrana kaominaly ny tenany, nefa tsy misy filankevitra kaominaly ny tanànan’i Moramanga ankehitriny, hoy ny fampitam-baovao. Noho izay antony izay, lasa feno trano ny faritry ny Lapan’ny Tanàna, izao indray koa, ny faritry ny sisin’ny tambohon’ny kianja fanaovam-baolina no anorenan’ny mpanambola any an-toerana fivarotana, nefa raha ny marina, vonjy maika no namindrana azy ireo teo noho ny fanamboaran’Ambatovy ny tsena, ka natao trano hazo. Izao anefa nivoaka ny didim-pitondran’ny kaominina: 01/ 23 MOR tamin’ny 09/01/23- CU/ ST visa STRAT N° 001/ 23 MOR tamin’ny 06/01/23, ka manorina trano biriky ny mpivarotra eo ary nahena 2,5 m ny tambohon’ny kianja fanaovam-baolina. Izany ve hoy ny mponina ao Moramanga no antony tsy namerenana ny fifidianana hatramin’izao? Mandeha ihany koa fizarazarana tokontanin’ny Cité-n’ny kaominina ao anatin’ny kihavanavana sy amin’ny mpanambola, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Manao fanairana sy miantso vonjy manoloana ny fanamparam-pahefana noho izany ny vahoakan’i Moramanga.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa