Zana-kazo 1000 fototra indray no novolen’izy ireo tao Andranovelona ny faran’ny herinandro teo nahitana ny acacias sy ny bonara. Ny Ministeran’ny tontolo iainana no niantoka ny zana-kazo izay sady mbola manampy ny kaominina amin’ny fanaraha-maso azy ireo ihany koa. Vokatry ny fanampian’ny mpiara-miombon’antoka kosa no nahazoana ny tany izay efa novolena hazo hatrany nanomboka tamin’ny fotoana nahaben’ny tanana an-dRaharinosy Elie Dominic. Ny 90%-n’ireo hazo 600 isa novolena ohatra no velona soa aman-tsara ary hananana fanantenana tamin’ny taona 2022, nahitana palissandre, bois de rose…. Ankehitriny dia niampy 1000 fototra indray izany raha efa nisy hafa ihany koa tamin’ny taona 2021. Miantso ny rehetra mba handray anjara amin’ny fambolen-kazo tahaka izao araka izany ny Ben’ny tananan’i Talatamaty ho fitsinjovana ny ho avin’ny taranaka. Tsy misy afa-tsy ny fambolen-kazo ihany mantsy no hahafahana miaro ny tontolo iainana sy miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ateraky ny haintany.
Pati
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa