fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana mantsy dia marobe ireo tsy manana fidiram-bola mahavelona, antony mampihemotra ny sasany tsy hankalaza ny fetin’ny 26 jona amin’ity taona ity. Ho an’ny kaominina Andranonahoatra, distrikan’Atsimondrano manokana dia tsy manao fety manokana ho an’ny kaominina izy ireo raha araka ny fanazavan’Atoa Hajanirina Ben’ny tanana fa manohana ireo Fokontany miisa 7 izay manao hetsika kosa. Anisan’izany ohatra ireo mikarakara lalao baolina kitra dia ny kaominina no manome loka ireo mivoaka ho mpandresy….Na izany aza dia hisy ny didim-poitra faobe izay hotanterahiny amin’ny volana Jolay ho avy izao izay maimaimpoana ary tsy hanavahana na iza na iza. Mikasika ny Fanadinam-panjakana CEPE notanterahina teny amin’ity faritra ity afak’omaly dia fantatra fa ny kaominina no niantoka ny fitateraka ireo laza adina, ny fanangonana ny antontan-taratasy miazo ny fari-piadidiam-pampianarana ary ny fanampiana ireo mpampianatra nanao ny fitsarana nanomboka omaly.
Pati
Legende : Atoa Hajanirina, Ben’ny tananan’ny kaominina Andranonahoatra
Tsy voaharo ny harem-pirenena eto, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina sady
Andao harenina ity fitsarana ity. Sahia miteny isan’andro amin’ny havanareo: fahotana ny kolikoly .
Taorian’ny KFC izany dia hoavy eto Madagasikara koa ny Mc Donald’s na Mc Do,
Ny kojakojan-dakozia sy ny fandriana no tena be mpividy indrindra amin’izao ho an’ireo
Miantso ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hidina any Ranobe, Toliara,
Tena mijaly amin’ny hafitsoky ny mpamosavy ireo miaramila mitoby ao amin’ny tobiny any amin’ny