airtel

Actualités

01-juil-2021

Actualités

Kaompanian-tsolika manao izay tiany “Tokony haverina ny SOLIMA !”

Sample post image

Tsy hijanona mihitsy ny menomenontsika malagasy ary hilaza ny teo aloha ho tsara foana isika, hoy ny mpahaitoekarena, Jean Jacques Ratsietison,

01-juil-2021

 

 naneho ny heviny mikasika ny fiakaran’ny vidin-tsolika. 4000 ariary ny Euro tamin’ny andron-dRajaonarimampianina, hoy izy. 1500 ariary ny vidim-bary tamin’izany. Nimenomenona daholo! Roa taona aty aoriana dia hoe tsy mbola nisy nividy vary 3000 ariary raha tsy izao. Hiteny indray isika amin’izay handimby an-dRajoelina eo hoe tsy mbola nividy vary 4000 ariary raha tsy izao. Hiakatra foana io. Tsy maintsy miakatra ny vidin-tsolika na tiana na tsia satria ny sandam-bola mitotongana. Mihetsika kely koa ny vidiny any amin’ny faritra iraisampirenena. Hakarina 200% ny sandam-bola. Izay no vahaolana haingana indrindra amin’io. Raha ny tena marina aza ny vidin’entana avy any ivelany dia ny vidiny any ivelany sy ny sandam-bola no mitondra azy. Tokony hiova isan’andro ny vidin’entana any ivelany ary voalohany ny solika. Tsy nahetsika anefa ny vidin-tsolika ary izy tsy mihetsika iny dia ahazoan’ny kaompanian-tsolika volabe. Efa tany amin’ny 120 dolara io no nidina atsasany hatrany amin’ny 60 dolara. Io 60 io efa nisy fotoana nidina hatrany amin’ny 20 dolara. Ny eto amintsika tsy mihetsika. Manao izay tiany atao ny kaompanian-tsolika fa tsy misy lalana ny tolotra sy tinady mitondra izany. Tokony hisy ny fifaninanana nefa mitovy daholo eto ny vidin-dasantsy na Jovenna, na Shell, na Total. Rehefa tsy misy ihany ny fifaninanana dia tokony hiverina hizara lasantsy ny fanjakana. Tokony haverina ny SOLIMA. Mampihatra ny vidiny tena izy amin’izay ny fanjakana dia voatery mampidina ny kaompania, hoy hatrany ity mpahay toekarena ity.

J. Mirija

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap