Iaraha-mahita isan’andro, ho an’ireo mpikirakira tambazotran-tserasera toy ny Facebook moa izany, ny fanaratsiana sy teniteny foana ataon’izy ireo ao. Fandranitana adim-poko, fanompana, fanimbazimbana, fampielezana vaovao diso. Tsy efa tokony ho an-jatony ve no tratran’ny fanadihadiana sy samborina isan'andro raha tena miasa tokoa ny sampan-draharaha misahana azy ity? Ny mahagaga dia hita ho mifanohy mihitsy na mitovy tanteraka ny hevitra voizin’ireto kaonty tsy sahy mampiseho ny tena maha izy azy ireto ary tsy mampino hoe nahim-pon’izy ireo no mandefa ireny fanehoan-kevitra manakorontana fiarahamonina ireny. Midika ireny fa manam-bola ry kaonty fako ary ny tena mahagaga koa anefa dia sady mahara-baovao tsy laitra daholo izy ireo. Efa nisy fanadihadiana nataona haino aman-jery iraisampirenena rahateo mahakasika izay. Mampametra-panontaniana toa vazivazy zaritenany izay mihitsy hoe misy minisiteran'ny kaonty fako mihitsy ve eto fa dia toa efa ela ihany izy ireo no toy ny tazanim-potsiny?
J. Mirija
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”