airtel

Actualités

18-janv-2024

Karama sy tambin-karama tsy voaloa

Migrevy ny polisy monisipaly ao Toamasina

Sample post image

Nitokona nanomboka omaly maraina ny polisy monisipaly eo anivon'ny kaominina

18-janv-2024

ambonivohitr'i Toamasina. Fitakiana karama tambatra na «rappel » 5 volana sy tambin-karama na « indemnités » 16 volana no anton'ny hetsika, raha ny vaovao avy an-toerana. Tototry ny olana ara-bola izany kaominin’I Toamasina raha tarafina amin’io satria efa hatramin’ny tapaky ny desambra ihany koa no nanao fitokonana fanairana ny mpamonjy voina, ary nitohy ny 8 janoary teo, ka nanomezan’izy fe-potoana 72ora hamahana ny olana, handoavana ny "indemnité de risque » sy « salissure » tsy voaloa tao anatin’ny 15 volana. Efa tapitra moa ny fe-potoana fiasan’ny ben’ny tanàna ka asa izay ho fanapahan-kevitry ny mpitondra na hanao fanalavam-potoana ho an’ireo ben’ny tanàna na hanolo azy ireo ho Filohan’ny delegasionina manokana (PDS). Henjana ny vary mangatsiaka miandry ireo handimby raha tarafina amin’ny eto Antananarivo Renivohitra izay potika sy tototry ny fako sy ireo mitranga any Toamasina io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap