airtel

Actualités

05-juin-2023

Actualités

Karazan-javamaniry « pachypodium » Misy mitady hanao trafika sy hanondrana ihany koa

Sample post image

Fototra pachypodium miisa 400 eo ho eo, izay mitovitovy endrika amin’ireny zanaka baobab ireny izay tena arovana

05-juin-2023

fatratra no hita nisy nanongotra no sady efa vonona ahondrana no tratran'ireo mpisehatra amin'ny Fizahan-tany tao Isalo ny zoma folakandro lasa teo. Efa nafatratra tao anaty fiara izy ireo ary efa saika ho entina hiainga mihitsy. Nandritra ny fandehanan’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany moa no efa tafatsoaka ireo olona heverina ho fametriben’ny firenena ireo ka tsy nisy tratra. Toraka izany ihany koa ireo olona nanongotra ireo zava-maniry manana ny maha izy azy sy mampiavaka an'Isalo manokana ireo. Marihina moa fa anisan’ny tena miavaka isika eto Madagasikara amin’ny resaka zava-maniry sy biby tahaka ireny ka tokony hoarovana sy ambenana fatratra. Tokony hametrahana fepetra hentitra sy saziana mafy araka izany ireo karazan’olona mamotika sy mandripaka azy ireny mba tsy ho sahy hanao izany fihetsika mamoafady izany intsony ny hafa.
Pati
Legende : Ireto ireo karazana baobaba kely saika haondraon’ireo tsy mataho-tody
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap