avy eto madagasikara nakany amin’ny Vondrona Eoropeanina tao anatin’ny 10 taona, dia notorian’ny GEL (Groupement des Exportateurs de Litchis) ny Sekrtera Mpanatanteraky ny TI-IM Rtoa Ketakandriana Rafitoson. Fanalam-baraka amin’ny zavatra tsy mitombina, fanendrikendrehana, fanaratsiana, fanakorontanana,… no vesatra itoriana azy, ka nisy omaly ny fampanantsoana sy fanadihadiana nataon’ny Polisy ekonomika azy. Raha hiverenana, ny 10 novambra teo no nanao ampamoaka ny Transparency International, fa misy ny tranga maro ahiana ho endriky ny kolikoly goavana, ampihimamba, heloka ara-toekarena mikasika ny fanondranana “litchi”. Nametraka fitoriana teny amin’ny PAC (Pole Anti-Corrumption) sy tany amin’ny PNF (Parquet National Financier) any Frantsa izy ireo. Nilaza mantsy ny Transparency International fa gejain’olom-bitsy ity sehatra ity, ary ny fikarohana nataony no nahitana porofo fa maro tokoa ny mety ho fandikan-dalàna samihafa toy ny kolikoly amin’ny sehatra iraisam-pirenena, fifanarahana tsy ara-drariny, fandosiran-ketra, famotsiam-bola ary fanafenana tsotra izao ireo fandikan-dalàna ireo. Isan’ny noresahan’izy ny fahazoan’ny orinasa Frantsay roa tamin’ny fomba tsy mazava ny fanondranana litchi Malagasy makany amin’ny Vondrona Eoropeanina ny 2011 hatramin’ny 2021 sy ny fandoavan’ireo latsakemboka tamin’ny GEL kanefa ireo tsy orinasa Malagasy. Toy izany ihany koa ny fananganan’ny GEL orinasa LTC (The Litchi Trading Company Ltd) atsy Maorisy izay nambaran’ny TI-IM fa vao mainka nampihena ny mangarahara. Tsy misy tena tamberiny mankaty Madagasikara ny volan’ny fanondranana,… Voasokajy ho isan’ny orinasa ananan’ny Vondrona Eoropeanina ahiahy ara-ketra io LTC io, raha ny ampamoaka ihany.
MIJERY AKAIKY NY IRAISAM-PIRENENA
Tsy mikoso-maso ihany koa ny GEL etsy andaniny, izay efa nilaza fa tsy mitombina sy fanaratsiana ny natao, ka efa nilaza ny hifampitady ara-pitsarana raha ilaina, ka dia io manao valin-kafatra ara-pitoriana io. Mihalalina noho izany ny raharaha ary ifamaliana bontana satria sokajiana ho olona goavana sy mpanefoefo ary manan-katao na koa hoe “matretre” no ao anatin’ny GEL, ary heverina fa tena mahatoky ny tanjany na ara-bola na ara-pahefana. Etsy andaniny anefa, mivelatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Transparency International. Vao nipoitra ity raharaha ity, dia voalaza fa misy firenen-dehibe manara-maso sy mijery akaiky ny fandehan-draharaha. Nisy aza ny fanehoan-kevitra iray nilaza fa nisy fiaramanidina roa avy misy iraky ny firenen-dehibe iray nipetraka tany Antsiranana tamin’ity volana ity. Voalaza fa mijery sy manara-maso akaiky ary manadihady raharaha mafana eto Madagasikara, ka tafiditra ao anatin’izany ity dosie Transparency International ity. Misy ny maneho, fa efa karazana fikitihana ny tsy fikitika io karazana famakiana ady amin’ny Transparency io. Heverina fa misy ifandraisany amin’ny tontolo politika, diplaomasia, jeopolitika.
Toky R
Mikolay ireo tantsaha mpamboly sy mpamokatra lodisia any amin’ny kaominina ambanivohitra Vohipeno,
Taratry ny fahapotehan’ny firenena ny Renivohitr’i Madagasikara, izay tena miaina
Somary nafana no sady niantona kely ny ranon’orana teto amin’ny Faritra Analamanga
Rehefa manakaiky toy izao ny volana desambra dia ny fety maro ho avy no hiantefany ny sain’ny daholobe.
Nomena fahafahana hivoaka ny fonja handevina ny zanany lahimatoa