airtel

Actualités

08-janv-2021

Actualités

Ketakandriana Rafitoson “Famotsiam-bola io trafika io”

Sample post image

Mifanipy andraikitra ireo sampan-draharaha tompon’andraikitra samihafa. Raha

08-janv-2021

 

 

 

ireny no jerena dia samy tsisy tomponan’andraikitra ve izany ny PAF, doany, ACM,…? Hoy i Ketakandriana Rafitoson avy amin’ny Amnesty International mikasika ilay raharaha trafikam-bolamena 73,5 kg. Tsy misy hoe tsy nisy nahita tamin’ny làlana nizorana rehetra amin’ny maha “circuit” azy, izany hoe mandalo toerana sy sampan-draharaha samihafa. Tafiditra ao anatin’ny “crime organisée” na firaisana tsikombakomba amina fanaovana ratsy io, hoy ny Amnesty International. Efa ratsy be ny naotintsika amin’ny resaka fanondranana, indrindra amin’ireo zavatra ara-tontolo iainana. Efa tafiditra tany anatin’ny dosie Panama Papers, ary fomba fanadiovana sy famotsiam-bola io resaka trafikana volamena io, izay manarena izao tontolo izao. Ankoatra ny fanadihadian’ny Fitsarana Afrikanina Tatsimo sy ny Polisy iraisam-pirenena, dia tokony tena mandray andraikitra feno ny Fanjakana Malagasy. Tokony ho fantatra sy ho faizina ny tena tao ambadika, ary tokony ho fantatry ny daholobe ny tohiny. Firifiry afera maloto goavana na “sacandale” izay tsy hita ny tohiny ao anatin’ny roa na telo volana ka tokony tsy ho toy izany intsony, hoy ny fanamarihan’ny Amnesty International.

 Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap