airtel

Actualités

11-mai-2026

KIMONY MORONDAVA

Mpianatra nanao voyage d'étude maty dibo-drano

Sample post image

Tovolahy mpianatra iray 24 taona

11-mai-2026

hanao voyage d'étude avy amin'ny sampam-pianatrana Sociologie ao amin'ny Oniversite -n'Antananarivo no namoy ny ainy tany amin'ny morotsirak'i Kimony Morondava, Faritra Menabe omaly Alahady 09 May maraina. Raha ny fantatra dia 3 lahy izy ireo no niara-nilomano ka dobo tao anaty ranomasina. Nifamonjen'ny fokonolona Ireto farany noho izany ka ny 2 no avotra soa ama tsara fa ny iray kosa adin'ny 1 taty aoriana vao hita. Nentina nialàna nenina tany amin'ny Hopitaly ihany saingy tsy tana ny ainy. Ireo roa avotra kosa dia mbola manaraka fitsaboana any amin'ny hopitaly . Nanapa.kevitra ny rehetra fa omaly ihany dia hoalefa miakatra aty Antananarivo ny razana ka ny Fanjakàna no hiantoka ny fikarakarana ny rehetra hoy ny Minisitry ny Tontolo iainana izay tany an-toerana hatramin'ny omaly. Mampatsiahy hatrany ny manam-pahefana any an-toerana ny amin'ny tokony hitandremana sy hanarahana ny toromariky ny tompon-tany rehefa mivahiny any amin'ny toerana tsy fantatra.
Pati
Légende : Nandritra ny fotoana nikarohana sy nibatana ny razana !
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap