airtel

Actualités

23-juin-2022

Actualités

Kohen Rivolala Fampizaraham-bazana no ataon'i Tatandraza

Sample post image

Nivoaka tamin'ny fahanginany i Kohen Rivolala mpitarika fivavahana sy mpitarika antoko politika manoloana ny fiparitahan'ny horonan-tsary miendrika fihantsiana sy fampihorohoroana

23-juin-2022

nataon'i Marc Tatandraza tao anaty tamban-jotran-tserasera facebook andro vitsy lasa izay. Efa nisy moa ny filazana fikarohana sy fisamborana navoakan'ny mpitandro filaminana mahakasika an'i Marc Tatandraza noho ny heloka an'habaka(cybercriminalité) saingy hatramin'izao dia mbola tsy naharenesam-baovao mikasika ny tohiny ireo tompon'andraikitra . Eo indrindra no mampametra-panontaniana hoy ny Kohen Rivolala hoe maninona rehefa ry Badoda sy ny tariny nanao fihantsiana sy teny tsy mendrika tanaty tamban-jotra facebook no namoahana fikarohana dia haingana dia haingana tsy ampy 24 ora akory dia voasambotra avokoa izy rehetra,maninona anefa rehefa i Tatandraza no manao fampihorohoroana sy fihantsiana miaraka amin'ny antsy lavalela,roa herinandro aty aoriana mbola tsy voasambotra ihany ary jerem-potsiny ? satria ve izy milaza ho mpanohana ny Filoha Andry Rajoelina dia tsy voakitikitika na manao heloka aza ? Aoka tsy hisy mizana tsindrian'ila hoy i Kohen Rivolala fa izay meloka dia samy sazio araka ny lalàna na mpomba ny fitondrana na tsia !
TOKONY HANAZAVA NY FILOHA
Mahakasika ireny olona mitonona ho mpanohana ny Filoha toa an'i Tatandraza ireny izay zary mandoto azy noho ny fihetsika tsy voahevitra ataony dia manainga ny Filoham-pirenena ny Kohen Rivolala mba hanao fanambarana raha tena namany tokoa i Tatandraza sy ny namany na mpisandoka. Amin'ny vahoaka sy ny mpandinika mantsy hoy i Kohen dia asa fampihorohoroana toy ny misy any Irak sy Afghanistan mihintsy no nataony milaza ho miaradia amin'ny Filoha kanefa mandrangaranga antsy lava sy mandrahona hanapaka lohan'olona izay tsy mitovy hevitra aminy amin'ny alalan'ny horonan-tsary ! Raha milaza ny mpitondra antsika fa namany sy mpiara-dia aminy tokoa ry Tatandraza dia mampametra-panontaniana avy hatrany hoy ny Kohen Rivolala hoe : Fitondrana mpampihorohoro ve izany no misy eto ka samy afaka manao izay tiany atao izay rehetra milaza fa akamakaman'ny mpitondra !? Niantso ny handraisana fepetra hentitra sy hisamborana faran'izay haingana ny mpampihorohoro toa an'i Marc Tatandraza moa ny Kohen Rivolala mba hisorohana ny hisian'ny fanjakan'ny baroa eto amin'ity firenentsika ity ary nitodika ihany koa izy amin'ireo manam-pahefana isan'ambaratongany mba tsy hijery tavan'olona amin'ny fampiharana ny lalàna fa rehefa meloka na iza izy na iza ,na mpanohana fitondrana na tsia dia tokony hitovy hisazy avokoa.
Pati

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap