airtel

Actualités

22-févr-2024

Kolikoly avo lentan’ny tandapa

Andrasana raha hanao fanadihadiana ny Fitsarana Malagasy…

Sample post image

Azo lazaina ho sambany teo amin’ny tantaran’ny Repoblika Malagasy

22-févr-2024

no misy olom-panjakana ambony tandapa tanan-kavanan’ny Filoham-pirenena no voasambotra tany amin’ny firenen-kafa noho ny raharaha kolikoly goavana, ary alentiky ny fitsarana ao amin’ilay firenena ho meloka na miezaka manda mafy aza. Sarotra ny hahafahan-dRtoa Romy Andrianarisoa eo anivon’ny Fitsarana Britanika. Tsy mijanona eo aminy samirery fa ny anaran’ny Firenena sy ny Fanjakana Malagasy no voaviravira ao anatin’io. Kolikoly avo lenta, ary tsy azo heverina mihitsy ny hoe : tena nandeha irery raha nahomby afera satria tsy ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika mihitsy no manao fifarahana amin’ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, fa ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny governemanta na ny departamanta voakasika. Kopaka isasahana ve saingy ity farany no mizaka irery ny heloka niaraha-nanao ? Ny Fitsarana any Londres mandeha, ary henjana, tsy misy kolikoly, tsy misy tsindry avy amin’ny manam-pahefana na mpitondra,… Samy miandry ny didy amin’ny 18 martsa hoe : hanao ahoana ? Andaniny, ho an’ny eto Madagasikara, hitazam-potsiny ve ny Fitsarana Malagasy sa tokony hanokatra fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ? Ho vitavita ho tahaka ny volamena 46kg nivadika vy sy ny maro hafa ve ? Voatonontonona sy voaloto ao anatin’ny raharaha ny anaran’ny Filoham-pirenena izay tsy voatery ho maloto ao anatin’io, kanefa tsy voatery ho madio ihany koa. Anisan’ny voalaza ao anatin’ny raharaham-pitsarana fa nahalala tsara ny diany sy ny fihaonany tamin’i Sean Gilbertson ny Filoha Rajoelina. Miverimberina ao anatin’ny tatitry ny vaovao iraisam-pirenena ny anaran’ny Filoham-pirenena ka vitan’ny fandisoam-baovao hoe : tsy tafiditra sy tsy misy hidirany ve sa ilaina ny fanakofana fanadihadiana ara-pitsarana hamantarana marina hoe : iza ary izany no meloka sy iray petsapetsa tamin’io ?
MANARATSY ENDRIKA NY FIRENENA ! EFA FOMBA FIASA NY KOLIKOLY SY FITAKIAM-BOLA ?
Tsy mijanona amin’ny resaka Gemfields ihany rahateo ny raharaha, fa betsaka ireo orinasa voatonontonona ho efa nanaovana izao fomba fiasa Exxon Mobile, Wisco, Total, Rio Tinto, Total, QMM, ka izay tsy nanaiky ilay ambara fa endrika fiaraha-miasa dia sahirana toy ny Madagascar Oil, raha ny voalaza tao anatin’ny famotorana. Ilay tontolon’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy solika eto Madagasikara mihitsy ve izany no tsy mandeha raha tsy mizotra amin’io fomba fiasa sy fiadin’i Romy Andrianarisoa io ? Atao mahagaga ve raha tsy dia misy orinasa goavana amin’ny harena an-kibon’ny tany « Multinationales » tena mampiasa vola eto Madagasikara tato anatin’izao fitondrana fa ny karazana fitrandrahana an-tsokosoko sy fandrobana no misy tahaka ny fitrandrahana volamena ataon’ny sinoa? Moa tsy ilay fahavitrihana sy faharisihan’ny mpampiasa vola eto mihitsy ve no potehina amin’ny resaka kolikoly satria miteraka laza ratsy ho an’ny firenena ny tahaka izao ? Mila ampahatsiavina ve fa ny Britanika no isan’ny matanjaka ao anatin’ny tsenan’ny fampiasam-bola eran-tany saingy efa anaty lisitra maintiny aloha izany isika ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap