airtel

Actualités

12-avril-2024

Kristianina manao politika

«Tsy matoky io fitondrana mpanao amboletra io izahay»

Sample post image

Tsy matoky io fitondrana mpanao amboletra io izahay, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika.

12-avril-2024

Averiko ombieny, hoy ny filohan’izy ireo, Eliace Ralaiarimanana, fa tamin’ny 20 janoary no tapitra ny fe-potoam-piasan’io fitondrana io. Aminay dia tsy misy fositra na voa ratsy afa-tsy Rajoelina eto amin’ity firenena ity. Rajoelina ihany no mila esorina miala eo. Tsy misy hoe afaka 5 taona io fa efa nomen’Andriamanitra ahy ny daty, hoy ihany ny filohan’ity antoko ity. Tsy ho teneniko ohatran’ireny tany aloha ireny intsony ilay daty tsy hoe diso akory ireo daty voalaza tany aloha fa averiko ihany hoe mpanao amboletra izy dia izao iaraha-mahita izao ny mahazo ny mpanao amboletra. Notapahan’ny avy any ivelany ny famatsiam-bola nefa tsy misy afa-tsy mangataka no hain’io. Eliace Ralaiarimanana ilay zanak’Israely natositosika ka fahafatesana no niafaran’ny ejiptiana rehefa nanositosika ny zanak’Israely. Niara-maty ny miaramilan’i Ejipta. Zakanay izany mitondra firenena izany. Anananay ny fahalalana entina manatanteraka izany. Manamafy koa ny tenin’Andriamanitra hoe hain’ny mino ny zavatra rehetra. Tsy ny tetezamita no ratsy fa ny nitondra ny tetezamita tamin’izany fotoana izany. Tsy maintsy miditra tetezamita ny firenena malagasy ato ho ato, hoy hatrany ny Kristianina manao politika, na iza faly na iza tsy faly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap