Miady ho an’ny fahaleovantenantsika isika, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara, hoy izy, ka noho izany dia tsy tokony hisy idiran’ny SADC ny raharahan-tokantranontsika. Hanova lalàmpanorenana isika dia tsy ho lalàmpanorenan’ny SADC na frantsay mihitsy no ho atao eto fa lalàmpanorenana mahasoa antsika mba tsy hisian’ny toy ny teo aloha intsony. Matoa tsy tanteraka hatramin’izay ny antsoina hoe diniky ny samy malagasy marina dia mbola misy teritery avy any ivelany. Eo ny fanjanahana antsika ara-tsaina. Eo koa ny fitiavan-tenan’ny tsirairay mbola manjaka. Mila miova toetsaina, noho izany, ny malagasy raha tena te hanavao marina. Mila mandeha amin’ny fahamarinana. Aoka izany ny fikaonandoha! Mila mijoro amin’ny fifampifehezantsika ifotony eto amin’ny tanintsika isika. Na io sandan’ny Euro io aza miankina amin’ny finiavantsika ny mampifandanja an’io amin’ny volantsika. Mila haintsika ny mifehy ny harena an-kibon’ny tanintsika. Betsaka ny mitady ny harenantsika ka raha ny tena marina dia ny any ivelany no tokony hitany fiaraha-miasa amintsika fa tsy isika izany no mila mitady fiaraha-miasa amin’ny vahiny. Ny vahiny no mila manambitamby antsika fa tsy ny mifanohitra amin’izay. Mitranga amin’izao fotoana izao ny olana manerantany amin’ny ady eo amin’ny amerikanina sy israelianina amin’ny iranianina. Efa voalaza anaty Baiboly ireny ka tsy tokony ahataitra antsika Kristianina. Mila miomana tsara izany ny ara-panahy sy fototra rehetra. Eo koa ny lafiny politika sy toekarena tahaka ny resaka solika. Mahatonga ady ireny rehetra ireny ary io izy fa mipoaka. Ny tany mandroso hafa koa nefa efa mahita vahaolana hafa amin’ny olan’ny angovo toy izany. Mety hitotongana be ny vidin’ny solika rehefa kelikely. Mandeha daholo, ohatra, ho an’ny firenena sinoa sy ny arabo ny resaka angovo avy amin’ny herinaratra, masoandro, rivotra, ranomasina. Efa lasa lavitra sy mivoatra be izao ny koreanina sy sinoa amin’ny fandrosoan’izany tekinolojia rehetra izany. Ny ady moa fomba iray hampisehoan’ireo firenena mila ny harenan’ny hafa ny tanjany amin’ny alalan’ny fampiasàna ireo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny oranioma, izay mbola aty amin’ny firenena toa antsika koa nefa no hitrandrahan-drizareo an’izany. Izany isany mahatonga an-drizareo hiady mafy ny harena eto Madagasikara. Ny fitaovana hahafahana manao ireny finday ireny, eto koa no trandrahana. Izany no antony mampirongatra ny firenen-kafa te hitrandraka mafy hatrany ny harena eto. Tanjak’i Madagasikara ireny ka tokony ho tonga saina isika. Fotoana izao hamelàna ny vahoaka malagasy hisitraka ny harem-pireneny, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena!
J. Mirija
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona