ka anisany io raharaha Jirama sy delestazy io. Tsy misy vola hividianana solika kanefa tsy tena afaka manao “réquisition” intsony, hany ka io lalaovina amin’ny antso tolo-bidy iraisam-pirenena hitadiavana mpamatsy solika mavesatra na “fuel lourd” io, izay ao anatin’ny 45 andro moa ny faharetany kanefa vao ny faramparan’ny aprily teo no nanaovana an’io. Efa natao ny tahaka izao ny jolay 2022 saingy io miverina io indray ny olana. Inona no antoka omen’ny Fanjakana fa rehefa hisy hamaly ny antso tolo-barotra momba ny solika dia hivaha ny olana ? Tena ny mpamatsy ny lesoka sa ny vola hividianana solika? Ho sarotra no miandry antsika satria mety tsy ho voavaha atsy ho atsy ny olan'ny delestazy rehefa zohiana. Vao mainka aza mitombo satria raha niainga 2 ora sy sasany ny delesatazy, dia niakatra ho adin’ny telo, ary efa manodidina ny adin’ny efatra izy izy izao. Ny vola tsy misy, anatin’ny main-tany isika izao ka tsy ho ampy ny rano manosika ny “centrale hydroélectrique” any Andekaleka sy Mandraka. Manana olana ara-bola goavana ny Jirama, kanefa ny Fanjakana efa sahirana ara-bola na hanome "subventions" aza, dia ampaham-bola hoentina handoavana ny volan'ny Kaompania mpamatsy solika sy ny tompona milina na “groupes électrogènes” hampiodinana ireo milina mandeha solika. Milaza ny Fanjakana fa nahatratra 441 miliara Ar ny vola nampindraminy ny Jirama tao anatin’ny 3 volana voalohan’ity taona ity. Amin’ny fomba ahoana ny hamerenan’ny Jirama izany? Tsy ampy na tsy misy vola intsony firy intsony dia ny delestazy sisa no hampitomboina? Henjana ihany koa ny tsindrin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola amin’ny famerana sy fampihenana tsikelikely ny fanatosahan’ny Fanjakana vola any amin’ny orinasam-panjakana tahaka ny Jirama, ny fifehezana ny vidin-tsolika,… Vokany, ny delestazy mihamafy, ny famokarana mihena, potika ny toekarena, mety hiteraka fahaverezan'asa sy hanampy trotraka ny tsy fandriampahalemana, hampitombo ny fahantrana,.. Marina fa misy ny tetikasa hametrahana toby mandeha amin’ny herin’ny masoandro manodidina ny 40 eo izay hamokatra 50MWH eo, saingy mbola vao ao anatin’ny fanaovana antso ho an’izay vonona hanao izany ihany koa isika amin’izao. Mila halalahana sy hamoraina ny firosoana hatrany makany amin’ny angovo azo havaozina, ary tokony ho betsaka ny tolotra sahaza ny fahefa-mividin’ny sokajin’olona samihafa, fa raha hiandry ny Jirama mety mbola ho ela.
Toky R
Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !
Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,
Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty
Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka
Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.
Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.