airtel

Actualités

12-mars-2026

LALAM-PIRENENA VOALOHANY

5 andro tsy nisy jiro,

Sample post image

nidina andalam-be ny mponina

12-mars-2026

Mahatsiaro mangirifiry ireo mponina any amin'ny lalam-pirenena voalohany vokatry ny tsy fisian'ny herinaratra. Voakasik'izany ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasamanatongotra, ao amin’ny distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy. Nidina an-dalambe izy ireo vokatr'izany naneho ny fahatezerany afak'omaly Talata 10 Martsa hariva. Araka ny vaovao voaray dia nandoro kodiarana teny amin’ny arabe ireo mponina ho fanehoana ny fahatezerany sy fitakiana vahaolana haingana. Tapaka vokatr'izany mihitsy ny lalam-pirenena RN1, ka niteraka fitohanana goavana tamin’ny fifamoivoizana ho an’ireo fiara sy mpandeha nandalo tamin’iny lalana iny. Mitaky ny hamerenana haingana ny herinaratra sy fanazavana avy amin’ny tompon’andraikitra ireo mponina noho izany. Misy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandro sy ny asa fiveloman'izy ireo mantsy ilay fahatapahan-jiro maharitra izay efa nahatratra 5 andro be izao.
Pati
Légende : Ireo olona nigrevy omaly !

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap