airtel

Actualités

28-janv-2022

Actualités

Lasan’ny rano tao Moramanga Hita faty omaly ilay renim-pianakaviana

Sample post image

Dimy andro taorian’ny tsy fahitana azy fa lasan’ny rano, hita tany amin’ny Betaretra fokontany Ankarahara ao anatin’ny Kaominina Ambohibary Moramanga ny nofo mangatsiakan-dRabeharison Haingo,

28-janv-2022

 ilay renim-pianakaviana lasan'ny rano ny alin'ny asabotsy teo tao Ambarilava, Moramanga, araka ny loharanom-baovao avy amin'ny zanany. Tamin'ny 12 ora atoandro no nahazo antso tamin'ny mpanolontsain’ny tanàna na « conseiller » tao Ambohibary ny “Adjoint” miantraikitra ny Distrika ka avy hatrany dia nandeha nijery tany ka voamarina fa ity ramatoa lasa ny rano teo amin’ny Galana Ambarilava Moramanga ity hita faty ity. Tao anatin’ny fotoana nahavaky ny tohodranon’Ambodiakondro no nahalasibatra azy ; raha ny fanazavana dia niampita rano izy ary nisy rangahy iray nitantana azy teo amin'ny tetezana Moramanga ambanin'ny Galana ka sendra ilay toho-drano vaky izy ireo. Ilay Rangahy nitantana azy moa dia efa hita tamin’io andro io ihany ny nofo mangatsiakany. Tafiakatra ho 8 izany ireo olona namoy ny ainy vokatry ny loza nateraky ny andro ratsy tao anatin’ny distrikan’I Moramanga. Raha miala kely an’I Moramanga, dia miisa 4 ihany koa no namoy ny ainy tany amin’ny distrikan’I Brickaville. Efa maherin’ny 40 ny olona namoy ny ainy manerana ny Nosy. Mankahery sy mirary fiononana feno hatrany ho an’ny fianankaviana namoy ny havana aman-tsakaiza noho ny loza nandalo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Nangonin’i Pati sy Toky R
Legende : Rakotompokovavy fony fahavelony
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap