ny Nosy iny. Araka ny tatitry ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC omaly 12 janoary tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro, dia tafakatra 3 ireo olona namoy ny ainy. 01 tao amin'ny Kaominina Rantabe, 01 tao amin'ny Kaominina Ambodimanga, Distrikan'i Maroantsetra. Lehilahy 33 taona, mpampianatra hamonjy vady aman-janaka ity namoy ny ainy ity. 01 hafa leholahy 54 taona tao amin'ny Kaominina Anivorano Nord, Distrikan'i Antsiranana II. Tafakatra 1 702 ihany koa ny olona traboina (398 tokantrano) tamin’io fotoana io: 11 olona ao amin'ny Faritra Analanjirofo, 641 olona ao amin'ny Faritra Diana, 1050 olona ao amin'ny Faritra SAVA. Miisa 257 IREO olona nafindra toerana (52 tokantrano): 239 tao Vohemar, 12 tao Ambilobe, 6 tao Nosy Be. Terana 5 fandraisana ireo traboina no mbola miasa amin'izao fotoana izao. Tafakatra 330 ny trano dibo-drano, 58 ny trano simba, 10 ny trano rava tanteraka. Tapaka vonjimaika ny RN 6 tao amin'ny PK 537+329 noho ny hazo nianjera tamin'ny 12 Janoary 2025 tamin'ny 03 ora maraina. Nitohana ny fifamoivoizana eo amin'ny toerana fiampitana (gué) ao amin'ny PK 174+500 ny RN 5 A, Fokontany Manambery Kaominina Ampondra, Distrikan'i VOHEMAR noho ny fiakaran'ny rano omaly 12 Janoary 2025 tamin'ny 06 ora maraina. Tapaka vonjimaika ny lalana ao amin'ny Ambodimanga Kaominina Ambinanin'androvy, noho ny fihotsahan'ny tany.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa