airtel

Actualités

26-mai-2023

Actualités

Lavanila any Sambirano Tsy vaky ny tsena fa tsisy vola ny mpanangona

Sample post image

Omaly alakamisy 25 may 2023 no fotoana nofaritana fa hisantarana ny tsenan’ny lavanila tao Ambalahonko, Ambanja. Tsy vaky anefa ny tsena,

26-mai-2023

valaketraka tanteraka ny vahoakan’i Sambirano, maty fiainany tantsaha maro. Tsy misy vola ireo mpanangom-bokatra fa nihitsoka amin’ny lavanila tamin’ny “campagne” farany 2022-2023, hany ka tsy misy hampiasaina. Mitaraina ireo mpisehatra satria tena nitotongana tanteraka ny sehatry ny lavanila, indrindra fa tato anatin’ny 4 taona farany. Raha fampiakarana avo 3 heny no nampanantenaina tamin’ny kabary politikan’ny mpitondra ankehitriny, dia fitotonganana tsy mbola fahita hatramin’izay no miseho. Raha manodidina ny 1 tapitrisa ny kilaon’ny lavanila matohy efa vonona haondrana tany amin’ny 2017-2018, nantenaina fa ho any amin’ny 3tapitrisa Ar, dia nitotongana any amin’ny 2 hatramin’ny 3 hetsy, ary ny mando aza dia misy hatrany amin’ny 2 alina Ar,… Ny lavanila anefa no tena miantoka ny fiainan’ny ankamaroan’ny fiainan’ny olona any amin’ny tapany avaratr’i ny Nosy iny, kanefa dia toa tapi-dalan-kaleha tahaka ny valala voatango ankehitriny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap
16-mai-2025

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

Card image cap
16-mai-2025

Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na

Card image cap
16-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,

Card image cap
16-mai-2025

Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,

Card image cap
16-mai-2025

Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.

Card image cap