tsy nisy aina intsony, tao an-tokantranon’ny vehivavy iray, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Araka ny nambaran’ilay vehivavy niaraka taminy dia vao nanao firaisana ara-nofo izy ireo no tsy nihetsika tampoka intsony ny lehilahy. Nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo ka ilay lehilahy efa tsy nisy aina intsony, mitsirara eo am-pandriana ary miboridana tanteraka ny tapany ambany no hitan’ireo tomponandraikitra. Tokantranon’ny vehivavy iray 28 taona izy io. Araka ny voalazan’ity vehivavy ity tamin’ny famotorana natao azy dia «teo am-panaovana firaisana ara-nofo izy ireo no tsy nihetsika intsony ilay lehilahy ...». Raha ny zava-nisy hatrany dia vao ny voalohan’ny volana febroary teo izy sy ity lehilahy ity no nifankahafantatra tao anaty tambajotra sosialy. Efa nitsidika azy teny an-trano io lehilahy namoy ny ainy taorian’ny nifankafantaran’izy ireo ary nifanaiky fa hanampy ity vehivavy ity sy ny zanany amin’ny famelomana azy ireo, raha toa ka miaraka aminy ilay vehivavy. Ny andron’ny zoma teo no tonga tao aminy ilay lehilahy, niaraka nisotro ranom-boankazo. Voalaza fa nifanaraka izy ireo fa hanome vola an’ilay ramatoa ilay rangahy aorian’ny fiarahan’izy ireo ary lasa namonjy fandriana avy eo izy roa. Teo no nitranga ny tsy nampoizina. Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty ity lehilahy ity na tosi-drà niakatra tampoka na fijanonan’ny fo na harerahana na fanapoizinana na inona. Tsy maintsy ny fitsirihana ataon’ny mpitsabo tomponandraikitra amin’ny alalan’ny «autopsie» na fitiliana manokana ihany no ahafantarana izany. Nanamarika ny havan’ny maty fa manana olana amin’ny resaka tosi-drà itompokolahy fony fahavelony, hoy hatrany ny fampitàm-baovao.
Nangonin’i J. Mirija
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona