Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa Mageso na Kamisy Séraphin no anaran’ilay maty ary vao 29 taona monja ny lehilahy. Tao anaty basinina miaty 250 litatra no nahitana ny nofo mangatsiakany taorian’ny hamamoana niainany ny alin’ny 31 Jolay lasa teo, hoy ny vaovao. Mbola niezaka nanampy ny toaka hosotroany ihany mantsy Ingahirainy kinanjo nianjera. Nasolifatr’ilay zerikana saika hataony tohatra izy ka lasa tao anatin’ilay basinina. Sempotra tao ny anao lahy noho izany tafavoaka intsony. Tamin’ny 07 ora maraina vao hita izy saingy efa tsy nisy fofon’aina aina intsony hoy sefom-pokontany any an-toerana. Omaly Talata folakandro moa no nalevina tao amin’ny fasan-drazany ao Soavinandrina Sambava ny razana.
Pati
Tahaka izao ilay basinina nametrahan-dRatompokolahy ilay zerikana saika hataony tohatra !
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto