airtel

Actualités

14-avril-2023

Actualités

Lehilahy nahavanon-doza Novonoiny sy nodorany ny vadiny

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao an-tampon-tanànan’i Moramanga omaly.

14-avril-2023

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no maty novonoim-badiny tamin’ny fomba feno habibiana ary lasa nitsoaka ity farany nony avy eo. Raha araka ny loharanom-baovao avy amin’ny manodidina dia karazan’irony nisy fifamaliana irony teo amin’izy mivady. Samy namoaka ny tao am-pony araka izany ny tsirairay ka tsy nahazaka ralehilahy. Nanainga tanàna ity farany vokatr’izany ary tena nanampatra ny heriny mihitsy. Toy ny nodorana hatramin’ny endrik’ilay Ramatoa ary tsy namelany raha tsy afaka ny ainy. Raha araka ny vaovao hatrany moa dia mbola niampy famonoana sy daroka hafa izany. Miantso izay mahalala na mahita an-dRandrianasolo James Sostène ilay lehilahy namono am-badiny araka izany ny fianakavian’ny maty mba hampandre ny manam-pahefana akaiky azy indrindra. Raha araka ny fanazavan’ny psikology iray moa dia olona mifoka rongony na misotro toaka no mahavita mamono mahafaty ny olona akaiky azy tahaka izao. Aretin-tsaina amin’ny ankapobeny no manosika azy ireny hanao izany saingy hanenenany mafy rehefa misava ny toakany na ilay rongony nofohany.
Pati
Legende : Tahaka izaono nihafaran’ilay Ramatoa maty novonoim-badiny
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap