airtel

Actualités

25-févr-2021

Actualités

Lehilahy nanapa-doha ny vadiny Netsehin’ny fanahy ratsy hono…

Sample post image

Fantatra fa mpimasy ilay rangahy nanapa-doha manta ny vadiny tany amin’ny tanànan’i Doany Ambany,

25-févr-2021

 

 

 ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Doany, distrikan’Andapa ny zoma 19 febroary lasa teo. Netsehan’ny fanahy ratsy izy tamin’io fotoana io raha araka ny fanazavany, antony nahavitany namono ilay andefimandriny. Nohamafisiny ihany koa fa tsy nisy fifamaliana na olana teo amin’izy mivady nandritra izany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia notapahany indray mandeha monja tsy miverina tamin’ny antsy maranitra fikapana ala, ny tendam-badiny ka nipitika avy hatrany. Efa nitolo-tena tao amin’ny biraon’ny zandary tao Andapa moa ny lehilahy. Ny 23 febroary lasa teo ,no niakatra fampanoavana ny raharaha ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika any an-toerana ny lehilahy.

Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap