Tonga haingana ny mpitandro filaminana nandamina. Voafehy ny fitokonana”, hoy ny famintinana ny tranga teny Ivato omaly fa madiva ho alina. Noho ny fahatapahan-jiro lava eny an-toerana mantsy, nidina an-dalambe nanakan-dàlana ny olona, izay tofoka tanteraka. Tsy vao sambany ny fahatapahan-jiro lava amin’ny fokontany maro eny Ivato, ny fisitrahana rano moa dia fijaliana tsy roa aman-tany ho an’ny ankabeazan’ny faritra hany ka matetika amin’ny 1ora na amin’ny 2ora maraina no tsy maintsy mifoha raha te hahazo rano. Ny fotoana handehanany amin’io zara raha misy ora vitsy. Vao tapa-bolana lasa no nigrevy nanakan-dàlana ny mponina teny Andranomena satria leo sy tofoka tanteraka, ary io niitatra teny Ivato io. Ny an’Antananarivo Renivohitra moa dia tena niha nahery vaika indray ny fahatapahana tamin’iny faran’ny herinandro teo iny. Toa tsy mba hita any anaty faktiora anefa ireny fahatapahana ireny, ny vahaolana moa toa lavitry ny kitay ny afo, tsy arakaraka ny fanenjehana sy fanakianana ny mpitondra teo aloha. Asa raha mba tsaroan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ilay nolazainy tamin’ny 2018 hoe: 400MW fotsiny ny vitan’ny mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona fa ny ahy izaho irery no hanao 400MW ao anatin’ny 5taona? Lainga sy famitahana vahoaka ve hisy ohatr’ireny dia izao mbola mieritreritra fa mbola hahomby ny tahaka izany? Moa tsy izy ireo izao no tompondakan’ny delestazy?
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa