Leo sy tofoka tanteraka izy ireo satria miantraika amin’ny fianarana. Misy ny manomana fanohanana voka-pikarohana na ''soutenance'' saingy sahirana noho ny zava-misy. Mitarazoka ny fandraisana andraikitra amin'ity famahana ny olan'ny herinaratra ity ka antony nirosoana amin'izao fitokonana izao raha fanazavana, hoy ny tatitra. Miantsoantso ny mpitondra ireo mpianatra ireo hitondra vahaolana, misy ihany koa ny fandorana kodiarana ataon'ireo mpianatra ao anatin'izany hetsika izany. Tsy vao sambany no nisy fitokonana tahaka izao amin’iny manamorona ny RN1 sy ny manodidina iny satria vao tsy ela ny teny Alakamisy Fenoarivo, Anosizato,… Fa raha miverina kely amin’ny fampianarana ambony dia nanome 72ora ihany koa ny mpianatra eny Ankatso hamahana ny olana samihafa, ankoatra ny efa nisian’ny grevy ny fiandohan’ny herinandro. Dia mbola holazaina ihany ve fa mahomby ny fitantanana ary milamina ny firenena?
Toky R
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.